Ao anatin’ny drafitrasa fampandrosoana ny faritra sy ny eny ifotony, izay voarafitra ao anatin’ny tetik’asa PIC 3, hiarahana amin’ireo mpamatsy vola any ivelany, ary hisitrahan’ny faritra dimy hafa indray, dia Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, ho atomboka amin’io taona hitsidika io dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo governoran’ireo faritra ireo tany amin’ny toerana izay efa nisitraka izany teo aloha. Fifanakalozana traik’efa no tanjona, izay natao tao Ambanja sy ny tany Nosy Be, ny talata, alarobia ary ny alakamisy teo.

Ao anatin’ny drafitrasa fampandrosoana ny faritra sy ny eny ifotony, izay voarafitra ao anatin’ny tetik’asa PIC 3, hiarahana amin’ireo mpamatsy vola any ivelany, ary hisitrahan’ny faritra dimy hafa indray, dia Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, ho atomboka amin’io taona hitsidika io dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo governoran’ireo faritra ireo tany amin’ny toerana izay efa nisitraka izany teo aloha. Fifanakalozana traik’efa no tanjona, izay natao tao Ambanja sy ny tany Nosy Be, ny talata, alarobia ary ny alakamisy teo. Feno dia feno tokoa raha ny fandaraham-potoana nomanin’ireo mpandrindra ny tetik’asa sy ireto Governoram-paritra ireto tany an-toerana, izay nahafahan’izy ireo nijery imaso ny fampandrosoana nentin’izany tetik’asa izany tany amin’ireo faritra ireo. Raha ny tao Ambanja manokana dia nisy ny fitsidihana ny ivon-toerana famokarana zana-kazo “cacao”, ny fitafatafana mivantana tamin’ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity. Ny tao Nosy Be dia nisy ny fitsidihana ny ivon-toerana momba ny fizahantany, ny fijerena ireo toerana famokarana sy fanodidina ny Ylang Ylang ahafahana mahazo menaka manitra, ary teo ihany koa ny fandalovana tao amin’ny biraon’ny kaominina Nosy Be, izay mampihatra ny fitantana ifotony. Raha ny ho an’ny faritra Analanjirofo manokana dia efa vonona ny handray tanteraka ity tetik’asa izy ireo, araka ny nambaran’Atoa Governora, ny Dr Randriamanantena Marcellin. “Manana ireo vokatra mampiavaka azy toy ny jirofo, vanille, poivre, canelle, ary manana toeram-pizahantany mahafinaritra toy ny Masoala, Ambitsiky ary Mahambo ankoatra ny Nosy Sainte Marie, ny faritra Analanjirofo” hoy izy. Tombony lehibe ho an’ny faritra araka izany ny hisitrahana ity tetik’asa PIC3 ity. Marihana fa kaominina 17 ao an-toerana moa no fantatra fa hisitraka izany tetik’asa fampandrosoana izany, raha ny fanazavana azo hatrany. “Misaotra manokana ny Filoha hajaina Andry RAJOELINA izay nanome PIC 3 ary nampivelatra izany amin’ny Faritra hafa. Hita fa tena mahavelombolo ho amin’ny fampandrosoana maharitra tokoa izany” hoy hatrany ity Governora ity, izay hita fa tena afa-po tokoa ary vonona tanteraka ny hitondra rivo-baovaon’ny fampandrosoana ho an’ny faritra iadidiany.m.L